Voafidy ho filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara na Conférence épiscopale de Madagascar (CEM) indray ny evekan’ny diosezin’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Fabien, izay efa nitana izay andraikitra izay tamin’ny fotoam-piasana teo aloha. Tafiditra ao anatin’ny fivoriambe fanao isan-taonan’ ny CEM amin’izao fotoana izao ny fanavaozana ny birao maharitra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny sekretera mpandrindra, mompera Rafanomezantsoa Seraphin, omaly. Voafidy ho filoha lefitra kosa ny evekan’ny diosezin’Antsirabe, ny Mgr Randriantsoavina Pascal, ary sekretera jeneraly ny evekan’ny diosezin’i Miarinarivo, ny Mgr Rakotoarisoa Jean-Claude. Telo taona ny faharetan’ny fe-potoam-piasan’ny birao maharitra eo anivon’ny CEM. Ankoatra ny fandinihana ny raharaha anatiny eo anivon’ny fiangonana katolika, heverina fa anisan’ny dinihina amin’izao fivoriambe izao koa ny fiainam-bahoaka miainga avy amin’ny diosezy tsirairay. Eo ihany koa ny amin’ny raharaham-pirenena ankapobeny.
R. Nd.