Renim-pianakaviana antsoina hoe i Pity Elicette, 39 taona, fantatra amin’ny solon’ anarana hoe Cette no namono nahafaty ny vadiny tao Ambalakondro, fokontany Vohitsara, kaominina ambanivohitr’Ampasimbe Onibe, distrikan’i Toamasina II. Voarohirohy tamin’ny famonoana ny vadiny izy, araka ny antontan-taratasin’ady laharana 06-Toa/21 ka nampidirana am-ponja vonjimaika azy ny 4 marsa 2020. Antontan-taratasin’ady efa notsaraina ny taona 2021 ity raharaha ity ka nahavoaheloka azy asa an-terivozona mandra-pahafatiny, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara mpamoaka didy. Vokany, nanao fampiakarana teo anivon’ny fitsarana tampony misahana ny fandravana didy izy. Ny alarobia 13 novambra 2024, niverina notsaraina teny amin’ny fitsarana indray ny raharaha. Noho ny tsy fahampian’ny antontan-taratasy firaketana an-tsoratra no antony namerenana ny fitsarana. Marihina fa hita faty tao an-dakozia ny alin’ ny 1 marsa 2020 i Savoka, vadin’ny voampanga. Nambarany fa nananton-tena io vadiny fa tsy namono azy. Tsy nahitana faritra mangana ny vatany sady efa nivalampatra tamin’ny tany. Tsy nampino ny mpanao fanadihadiana anefa izany satria raha nihantona izy dia vitan’io vadiny io irery ny nanala ny fatotra tamin’ny vatany. Nahitana fivontosana rahateo koa ny filahiam-badiny. Vokany, nilatsaka fanindroany ny didy fanamelohana avy amin’ny fitsarana ka voaheloka asa an-terivozona mandra-pahafatiny ity renim-pianakaviana ity.*
Sajo