Mila mandray an-tanana ny hoavin’ny firenena isika raha tiana ny hialana amin’izao fahantrana sy rafi-panjanahana amin’ny endriny vaovao izao, araka ny nambaran’ny Antenimieran’ny raiamandreny ara-drazana sy ny foko (ARFM), omaly. “Tokony hifandinika ny vahaolana hitondrana ny firenena isika”, hoy izy ireo.
Mitaky ny hampitsaharana ny fivoizana fa misy kandidàm-panjakana ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Nambaran’izy ireo fa maro ireo olom-panjakana sy olom-boafidy sasany milaza fa kandidàn’ny fanjakana ny mpirotsaka hofidiana, tohanana. “Mahatonga ny fihoaram-pefy sy fandikan-dalàna izany noho ny tahotra maro samihafa”, hoy izy ireo.
Miantso ny fiaraha-mientan’ny rehetra hanampiana ireo manana fahasembanana amin’izao fifidianana izao ny mpitarika ny fikambanan’izy ireo, Ranaivoarison Tony. “Olom-pirenena feno sy manana zo ary adidy tahaka ny rehetra izy ireo. Efa niezaka ny Ceni amin’ny fampiasana ny lasi-pifidianana mampiaty, ny baoritra hanampiana ireo manana olana amin’ny fahitana…”, hoy izy.
Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc hatao any Harare, ny 20 novambra izao i Madagasikara, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Hotapahin’ireo mpivory amin’izany ny handefasana iraka na tsia any RD Congo. I Madagasikara rahateo mpikambana eo anivon’ny Troika ao amin’ny Sadc.




