Nokendren’ny olon-dratsy teo amin’ny lohany, voan’ny bala ka naratra mafy teo amin’ny masony ny lehilahy iray tao Tsiroanomandidy. Voaroba ny omby roa.
Voa roa, naratra mafy teo amin’ny masony sy ny sofiny ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny tanànan’i Soamanga, kaominina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alakamisy 14 novambra teo. Andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana tonga tao amin’io tanàna io, ny alin’ny alakamisy teo, tamin’ny 9 ora alina. Nahare ny fahatongavan’ireo tsy valahara, nanohitra ary nanda ny handrobana ny fananany ilay lehilahy 52 taona. Tanam-polo anefa ity farany mihoatra amin’ ireo mpandroba nilanja basy. Tsy nisalasala, araka izany, ny iray tamin’ireo olon-dratsy nitifitra io raim-pianakaviana io. Vokany, voan’ny bala teo amin’ ny masony sy ny ilan-tsofiny ity farany. Nidaraboka tamin’ ny tany izy. Lasan’ireo mpandroba ny omby roa.
Nifanenjehan’ny fokonolona
Nahare ny poa-basy, niara-nisalahy nanara-dia ireo mpangalatra omby ny fokonolona avy ao amin’ny tanànan’i Soamanga. Naharay fampandrenesana rahateo ny zandary ka nanampy isa azy ireo tamin’ny fanarahan-dia. Narian’ny dahalo teny an-dalana ny iray tamin’ireo omby roa nangalariny. Tsy hita popoka ny nandosiran’ireo olon-dratsy ireo. Tetsy ankilany, nentin’ny fianakaviany namonjy ny CSBII Mahatazana ilay lehilahy naratra mafy vokatry ny tifitra. Voatery nakarina anivon’ ny hopitaly ao Tsiroanomandidy izy noho ny hamafin’ny fahavoazany. Marihina, miseholany tato ho ato ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao amin’ireo kaominina sasantsasany ao anatin’io disitrika io.
Tsiferana R.