Nodorana omaly, taorian’ny fahavitan’ny famotorana rehetra, ireo rongony milanja 2 450 kg tratran’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambilobe. Nodorana tao Andavakatsantsa, fokontany Matiakoho, distrikan’Ambilobe, ireto zava-mahadomelina efa milanja 2 taonina mahery ireto. Nanatrika izany ireo solontenam-panjakana ao an-toerana nahitana ireo Olobe, ireo tomponandraiki-panjakana, ny zandarimariam-pirenena. Marihina fa olona 26 no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafika ireto zava-mahadomelina ireto. Naiditra am-ponja avy hatrany ny 24 amin’izy ireo rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Niainga avy amina loharanom-baovao voarain’ny zandary tao an-toerana no nahazoana izao vokatra izao. Mitohy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny lalam-pirenena indrindra fa ireo olona sy fiara mifamezivezy. Nahitam-bokany izany tamin’ny alalan’ny fahatrarana ireto tambajotra goavana mpanao trafikana rongony ireto. Niaiky ny heloka vitany rahateo ireo olon-dratsy nandritra ny famotoran’ny zandary.
J.C