Notanterahina afakomaly tolakandro, teny amin’ny FJKM Andrianarivo Fahasoavana, ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fitondrana am-bavaka ny firenena sy ny hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ireo tonga namaly ny fanasana avy amin’ny FFKM ny kandidàn’ny Irmar, Ramanantsoa Harilala. Nanatrika ny fotoana sy niara-dia taminy ihany koa ireo mpiray lisitra aminy eo anivon’ny mpanolotsaina monisipaly. Anisan’ny hafatra sy teny fampianarana nentin’ireo mpitondra fivavahana nandritra izany fotoam-pivavahana izany ny mba hitondran’ny kandidà fiovana sy fivoarana eo amin’ny fiarahamonina. Mifanojo tanteraka amin’ny vinan’ny kandidà Ramanantsoa Harilala rahateo izany ny amin’ny hitondrana fanovana sy ho an’ny tsaratsara kokoa ho an’Antananarivo Renivohitra.
Anisan’ireo namaly ny antson’ny FFKM tamin’izany koa ny kandidà Razanamasy Ndriana, Razafinjoelina Tahina ary Monja Roindefo Zafitsimivalo. Samy notronin’ireo mpanolotsainy avy izy ireo.
Etsy andaniny, nanambara ny eo anivon’ny Ceni, ny mpampakateny, i Soava Andriamarotafika, anisan’ny niatrika izany fa anatin’ny andraikitry ny fiangonana ny mitondra am-bavaka sy mitsodrano ny zanany. Nanamafy izany ny tonian’ny FFKM, ny Rev Ranaivoarivelo Tahina, fa amin’ny maha raiamandreny ny fiangonana azy ireo no antony nanatanterahana ny fotoam-pivavahana.
Tsiahivina fa efa nantanteraka fotoam-pivavahana sahala amin’izao koa ny FFKM ho an’ny faritra sy toerana hafa ary hitohy hatrany izany.
Synèse R.




