FANTINA sy FINTINA

Napetraka ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka ny asa rehetra natao, araka ny nambaran’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, omaly, tao amin’ ny “Facebook”. Nambarany fa betsaka ny efa vita. “Maro koa ireo mbola tokony ho notohizan’ny mpandimby saingy ambony lavitra noho ny tombontsoan’ny vahoaka ny hambom-po politikan’ny mpitondra ka izao ny vokany”, hoy izy.

Navoakan’ny Africa Intelligence fa efa nikasa ho ben’ny Tanànan’Antananarivo, Razafinjoelina Tahina, ny taona 2019. Nihevitra ny hitondra ny fanevan’ny Tim ny tenany tamin’izany saingy nisafidy an-dRandriamasinoro Ny Rina ny mpanorina, Ravalomanana Marc. Efa niara-niasa nanomboka ny 2001 anefa izy ireo.

Niaiky ny kandidàn’ny Tim, Ravalomanana Tojo, fa mitovy avokoa ny feon’ireo vahoaka eny ifotony tamin’ny fitsidihana nataony tamin’ireo boriborintany enina. “Mijaly izahay ka mba vonjeo fa tena mihatra aman’aina izao zava-misy izao”, hoy izy. Nampanantena izy fa matoky ny vahoaka ny tenany ka niantsoany fanampiana sy fanohanana izany.

Nambaran’ny kandidàn’ny Firaisankina, atolotry ny HVM ao Mahajanga, Rakotovao Rivo, fa ao anaty firaisankina no ahazoana ny fandresena. “Hery hoentintsika mampandroso an’i Mahajanga sy i Madagasikara izany”, hoy izy. Nihaona tamin’ny mpikambana Tim eny ifotony any an-toerana ny tenany, omaly.

Partager sur: