Any alemana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny anton-diany ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fanatsarana ny fitantanana.
Tafiditra amin’ny fanavaozana sy ny hahamoderina kokoa ny fitantanana eny ifotony ary ho fampiroboroboana ny fanajariana ny tany izao fitsidihan’ny minisitra any Hamburg Alemana izao. Hampitomboina hatrany koa ny ezaka hametrahana ny fiaraha-miombon’antoka ara-stratejika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Nohazavain’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, tamin’izany ny hametrahana tanàna misongadina sy miavaka “Villes intelligentes – smart city” ary koa ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny asam-panjakana, hanomezana fahafaham-po ny filan’ireo vahoaka.
Anisan’ny hiaraha-miasa ho amin’ny fanatanterahana izany ny minisitera federaly ho amin’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy fampandrosoana (BMZ) sy ny eo anivon’ny GIZ.
Ho fitaratra eo amin’ny fanatsarana ny rafitra
Ao anatin’ny fiaraha-miasa ny lafiny fitantanana ny lafin-tany sy ny fampiroboroboana ny niomerika. Eo koa ny fampifandraisana ny maodely alemà mba hifandraika amin’ ny zava-misy eo amintsika hamahana olana ny momba izany. Hatsangana, araka izany, ny vovonana ho amin’ny fampandrosoana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Tsiahivina fa mitohy hatrany ny ezaky ny eo anivon’ny MMFT ho amin’ny fanatsarana ny rafitra amin’ny fitantanana ka mba ho fitaratra amin’izany ny amin’ny fanavaozana izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara.
Synèse R.




