Iraky ny Bad : hanamboarana fotodrafitrasa ireo kaominina

Hisitraka fotodrafitrasa ny eny ifotony ary hotohanana ireo tantsaha. Tonga nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), tetsy Anosy, ny solontenan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), omaly. Nitarika ny delegasinina, i Aminata Sow sy i Pumla Ma­ji­kija. Nifantohan’ny dinika tamin’ny solontenan’ny minisitra, ny sekretera jeneralin’ny MFFT, Randriamananjara San­drina Anjary, ny tetikasa mi­fan­toka amin’ny fampandrosoana eny ifotony sy ny fifampiza­rana traikefa. Nohamafisin’izy ireo ny fahavononany hano­hana ny fiarovana ara-tsakafo. Tafiditra amin’ny vaindohan-draharaha eto amin’ny firenena rahateo izany, miaraka amin’ ny fanatsarana ny fandaharanasa ho an’ny taona 2025. Ma­nampy izany ny fanamboarana fotodrafitrasa ho tombontsoa ambonin’ireo kaominina sy ny eny anivon’ny tantsaha. Voa­resaka ihany koa ny fiarovana ny zon’ny fananan-tany. Eo koa ny fampivoarana ny sehatry ny fambolena, amin’ny alalan’ny paikady ahafahan’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana mahazo titra eo amin’ny fananan-tany.

Etsy andaniny, tafiditra ao anatin’izany koa ny fampiasan’ ireo sampan-draharahan’ny fananan-tany, ny fitsinjaram-pahefana sy ny haitao ara-kajy mirindra hiarahana amin’ny Bad sy ireo mpiantsehatra ho an’ny fampandrosoana maharitra.

Synèse R.

Partager sur: