Hivalona anio ny taona 2022, arabaina nahatratra ny farany e ! Nmbinin-janahary ka velon’aina. Mbola hiriaria miaraka amin’ny fianakaviana sy ny mpiray tanindrazana. Hanaraka ny taona madiva ho tapitra anie ny ratsy rehetra niainana, ny sedra mafy nolalovana, ny fahantrana tsy maintsy nozakaina. Samia ho tafita soa, hahatsipaka ny anio daholo. Firifiry tokoa no lavo, tsy mahadingana noho ny antony samihafa.
Mialoha ny handraisana ny taona vaovao, handeha ifampizara onja miabo hatrany. Indrindra amin’ny vanim-potoana mbola mampamaivay ny raharaham-pirenena izao. Samia mahita izay anjara fahasoavana efa nomanin’ilay Andriamanitra Andriananahary ho azy ny isam-batan’olona. Ho an’ny mpino, mba higoka valim-bavaka sy fitahiana tsy hita noanoa. Ho an’ny tsy mpino, mba tsy ho diso anjara amin’ny soa sy ny tsara araka ny irian’ny fony. Ho ambinina amin’ny izay atao isika mianakavy. Hiadam-pinaritra avokoa amin’ny taona ho avy.
Anio, zava-dehibe ny fahaizana mamadika ny tantaram-piainana ratsy ho amin’ny tsaratsara kokoa. Azo atao tsara ny maka fanapahan-kevitra hampitsahatra ny fanaovana lalan-dririnina. Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto rehefa ao ny finiavana ny hiala sy ny fahavononana hiova. Marina, tsy moramora amin’ny maha olombelona ny manakatona pejy iray, indrindra fa efa raiki-tampisaka, toa tandra vadin-koditra. Misy anefa ny vahaolana, ilana herin-tsaina, tsy mibaiko ny fo hoenti-mandresy ny ratsy.
“Ny fanahy no olona na maha olona”, hoy ny fomba fiteny malagasy, izay indrindra no ifanentanana mba hanomezan-danja ny fiainam-panahy. Tsy voatery hiditra anaty lasitra iray, izay efa voafaritry ny fiarahamonina, fa ilay fahaizana mametraka lalam-piainana sy tanjona mifanaraka amin’ny filan’ny tena. Na inona na inona rahateo inoan’ny tsirairay, na iza na iza anankinana fiainana, miainga avy amin’ny tena ihany ny famonjena. Fanampiana sy fanosehana ary fampirisihana ihany ny avy ety ivelany.
Samia ho tratry ny taom-baovao, manaova fety sambatra daholo !
r.r