Nidoboka am-ponja eny Antanimora : tratra ireo mpanondrana olona mankany Chine

Ravan’ny zandary ny tambajotra mpandefa olona antsokosoko mankany Chine. Notanana vonjimaika any am-ponja ireo voasaringotra.

Efatra mianadahy voasaringotra amin’ny raha­raha fanondranan’olona mihazo an’i Sina niara-voa­tana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny zoma 15 novambra teo. Naharay ha­fatra miafina avy tamina olona any Sina nilaza ny fi­siana tambajotra matanjaka mivarotr’ olona an-kolaka ny zandarimaria. “Alefa any Sina ireo vehi­vavy tanora ary hampanambadiana lehilahy any an-toe­rana”, hoy ny fanaza­vana voaray anivon’ny zandarimaria. Nanokatra fanadihadiana, nifanindry an-dalana tamin’ izany, ny fisiana fitoriana miisa roa nataona vehivavy roa samy hafa. Olona iray ihany no tompon’antoka tamin’ny fisolokiana azy ireo. Nampa­nantenain’ny tomponandrai­kitra eo anivon’ ilay tambajotra izy roa vavy. To­kony ho niainga tamin’io herinandro lasa teo io izy ireo, araka ny fifanarahana. Tsy hita po­poka anefa ireo tomponandraikitra tamin’ny fotoana nifanomezana.

Voasambotra
Nanao fikarohana, voasam­botry ny zandary ny olona mpi­ray tsikombakomba anatin’io tambajotra io. Vehivavy mpandresy lahatra sy maka ny vola eny amin’ireo lasibatra ny roa. Mpampifandray mivantana amin’ilay ekipany any Sina momba ity fanondranana olona antsokosoko ity ny vehivavy iray hafa. Tratra niaraka tamin’ity farany koa ny vadiny izay anisan’ny manampy azy ireo amin’ny fanamorana ny antontan-taratasy ahafahan’ireo ve­hivavy mandeha. An­koatr’ireo, karohin’ny mpitandro filaminana ary efa namoahana didy fisam­boroana ny vehivavy miisa efatra mpiray tsikombakomba amin’ireo efa sarona.

Tsiferana R.

 

Partager sur: