HCDDED : “Manentana ny olona hifidy sy hahay hifidy”

“Anisan’ny fanehoana tsa­ra indrindra ny demokrasia ny fifidianana. Misy fifidianana ho avy io izao. Raisin’ny HCDDED ho andraikitra ny manentana ny vahoaka malagasy tsivakivolo handray anjara mavitrika amin’izany fifidianana izany”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Filanke­vitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Ranadia­lison Angelo, tamin’ny atrikasa fampahafantarana ny asany tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Nandray anjara tamin’izany ny olom-panjakana, olom-boafidy, mpanao politika, fiarahamonina sivily, olobe… “Indraindray sorena isika noho ny zavatra miseho: tsy afapo amin’ny zavatra ataon’ny mpitondra, na tsy afapo amin’ny solontenantsika voafidy. Dia hoy izahay hoe: mahaiza mifidy”, hoy izy. Nentaniny ireo solontenam-panjakana any an-toerana hampita any amin’ny olom-pehezina any amin’ny toerana misy azy ireo tsirairay avy mba hanentana ny olona hifidy.
Mandray ireo fitarainan’ny olona momba izay mety ho tsy fahatomombanana eo anivon’ny fanjakana ry zareo. Na fanjakana foibe sy ny rantsamangaikany io, na ny eny amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Efa nanao an’izay ny mpikambana teo alo­ha. Saingy mbola misy fitarainana 300 no vary mangatsiaka amin’izao, ankoatra ny fitarainana vaovao taty aoriana. Araka ny voalazan’ny lalàna 2015-001, ny andraikitry ny HCDDED manoloana an’izay: fahefany ny manadihady sy maka ny angom-baovao rehetra momba ny fitarainana voarainy ary mahazo mijery ireo antontan-taratasy eo anivon’ny sampandraharaha voakasika, manome tolo-kevitra any amin’izay voafaritry ny fitarainana.

R. Nd.

Partager sur: