Nandeha nilalao dia tsy hita: novonoina, natao tanaty gony ny fatin’i Miley

Novonoina sy natao tanaty gony ny vatana mangatsiakan’i Miley, zazavavikely vao fito taona. Nilaza i Alista Rossina, raibeny fa nivoaka hilalao no nialany tao an-trano, afakomaly.

Mangana ny fihirifany, ny hatony, ny kibony ary tapaka ny tanan’i Miley kely, zazavavy 7 taona, hita faty tao atsimon’ny Lycée Raherivelo Ramamonjy, fo­kon­tany Isaha, Fianarantsoa, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Niala tao an-tranony io zaza io ny tolakandron’ny alahady 17 novambra teo. “Nilaza tamin’ny reniny izy fa handeha hilalao hanaraka ny namany”, hoy ny fanazavan’ ny raibeny, Aliste Rossina. Nandroso nihamaizina ny andro saingy tsy nody ilay zaza. Niahiahy ny fianakaviany ka nanontany ny naman’io zanany io sy ireo mponina manodidina. Nilaza ho tsy nisy nahita azy anefa izy ireo. “Nikaroka nanerana ny tanàna izahay. Tsy hita i Miley kely ka nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy, ny alatsinainy maraina”, hoy ny fanamafisan’ny raibeny. Olon-tsotra eny an-toerana, nilaza ho mahita fatin’olona, io marain’ny omaly io. Nikoropaka nijery izany ity raibeny kinanjo ilay zafikeliny io efa tsy nisy aina intsony io. “Novonoina an-kitsirano ary nasitrika tao anaty gonin-tsaribao izy. Nariana amoron-dalana”, araka ny fanamafisan’ity fianakaviana akaikin’ny lasibatra ity.

Vehivavy mampiahiahy
“Nilaza ho nisy nahita azy nentina vehivavy tsy fantatra ny iray tamin’ireo namany ny tolakandron’ny alahady 17 novambra”, hoy ny raibeny. Tsy manana loharanom-baovao mirakitra ny fahamarinan’io tranga io anefa izy ireo hatreto. Notsirihan’ny mpitsabo avy ao anivon’ny CSBII ny vatana mangatsiakan’ilay zaza. Tsy nahitana tranga fanolanana izy. Natolotra ny havany io zaza io taorian’izay. Marihina, roa vavy no zanaky ny ray aman-dreniny ka faharoa ity nisy namono ity. Miroso amin’ny fanadihadiana sy fikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: