Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, tao amin’ny fokontany Andrefan’i Mananjara, omaly, ireo jiolahy telo voarohirohy amina fanafihana mitam-piadiana. Teo am-panomanana hanao ny asa ratsiny ry zalahy no tonga tampoka ny polisy nisambotra azy ireo. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ireo jiolahy mpampihorohora amin’iny faritra iny. Nahazo fampitam-baovao ny polisy fa misy jiolahy midoroka zava-mahadomelina eny an-toerana sady mitazona fitaovam-piadiana maro, toy ny antsy lava sy basy. Miara-mivory ao amina trano iray, ao amin’io fokontany io, ry zalahy sady mikononkonona asa ratsy toy ny fanendahana sy fanafihana. Nandray fepetra ny polisy ka nidina haingana teny an-toerana. Voamarina tokoa ny fisian’ireo jiolahy ka noraisim-potsiny izy ireo. Nandritra ny fisavana azy ireo no nahitana karazana fitaovam-piadiana samihafa. Tao anatin’ny fanadihadiana savaranonando no nilazan’izy ireo fa efa mpampihorohoro ao amin’io fokontany io ry zalahy.
J.C