Manao ranolava ny fanohanana ny kandidàn’ny antokon’ny fitondrana na ny Irmar. Hanohana ny kandidà Ramanantsoa Harilala ny antoko Asa vita ifampitsarana (Avi).
Nanao fanambarana ny amin’ny fahavononany hampandany ny kandidà laharana fahafito mirotsaka ho ben’ny Tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, ny antoko Asa vita ifampitsarana (Avi). Nandritra ny fitokanana ny foibe toeran’ny antoko teny Antsahavola, omaly, no nanaovan’izy ireo ny fanambarana. «Tsy hoe manohana fotsiny ny antoko Avi fa vonona ny hampandany ny kandidà laharana fahafito», hoy Rajobson Johary, Sekretera jeneralin’ny antoko Avi.
Mitombo hatrany ireo antoko politika resy lahatra amin’ny kandidàn’ny volomboasary ka manohana sy vonona hampandany azy. «Asa vita ifampitsarana» io no teny filamatry ny antoko. Izay asa efa vitan’ny kandidà laharana fahafito izay, nandritra ny nitantanany an’Antananarivo no anisan’ny antony anohanana azy. “Tokony hotohizana ireo asa natomboka”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny antoko, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ho fampandrosoana ny tanàna.
Ny Antoko Avi izay anisan’ireo mandrafitra ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina (Irmar) nanomboka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, nitohy tamin’ny solombavambahoaka ary hatramin’izao fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina izao.
Nosokafana, araka izany, ny Foibe toeran’ny antoko Avi ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko vonona hanohana ny kandidà laharana fahafito.
Lin