Safidy : «Mila mahalala ny andraikiny sy misitraka ny zony ny antoko politika»

“Misy ny antoko politika manatona anay manao hoe: mety ve raha manara-maso ny fifidianana miaraka aminareo izahay? Nefa antoko politika izy”. Io no nambaran’ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Dé­sirée Marie Stella, teny Am­batonakanga, omaly, ny amin’ ny hoe mila fanofanana ny antoko amin’ny fotoam-pifidianana toy izao. Manantombo ny zon’ny mpanara-maso ny an’ny antoko amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny fotoana an­draisan’ny fiarahamonina sivily anjara amin’ny fanaraha-maso, tokony hanana ny adidiny koa ny antoko.
Amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana, ohatra: ny lalàna dia manome ny antoko sy ny fiarahamonina sivily ho ao amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE) eny anivon’ny fokontany. Eny izany dia efa afa-manara-maso sy mitsikera ny antoko. Nefa raha ny hita amin’ny fokontany 19 000 mahery, mety tsy ampy 100 no misy antoko. Manana zo ny antoko hitory an’izay hitany hoe tsy fanarahan-dalàna rehetra. Mialoha an’izay, mila fantany ny lalàna. Izay no mila fanofanana.
Tanjona ny fampiakarana ny fahaiza-manaon’ny antoko politika. Hahazoany mahalala ny zo azo sitrahina mandritra ny fotoam-pifidianana. Eo koa ny fahalalany ny adidiny amin’ny maha olom-boafidy azy. Misy tsy mahafantatra ny adidiny, indrindra ny amin’ny lalàna, ny olom-boafidy. Amin’ny fotoam-pifidianana toy izao, manan-jo hiditra ao anatin’ny rafitra tsy raikitra eo anivon’ny Ceni, ohatra, ny antoko. Iza no mahalala sy misitraka an’izay, aiza ho aiza ny fanomanana fifidianana, aiza ny fitaovana… ?

R. Nd.

Partager sur: