Mahery vaika ny asan-dahalo ao amin’ny distrikan’Ambovombe, Faritra Androy. Vatan-dehilahy miisa dimy, anisan’ireo nanara-dia dahalo mpangalatr’omby, maty voatifitry ny olon-dratsy, afakomaly. Nitrangana asan-dahalo mahery vaika tao amin’ny kaominina Imamombo, distrikan’Ambovombe, ny alin’ ny 14 novambra lasa teo. Noraofin’ireo olon-dratsy mitam-piadiana ny omby tao amin’io toerana io. Nanara-dia ny fokonolona. Niara-nisalahy nandray ny andraikiny avy hatrany koa ny mpitandro filaminana ivondronan’ny Zandarimaria, Polisim-pirenena niampy ny Tafika. Nampiasa ny basy teny aminy, voan’ny balan’ireo dahalo ny vatan-dehilahy miisa dimy, hatreto. Namoy ny ainy avokoa izy ireo. Hita faty tao amin’ny fokontany Beadabo, kaominina Mahabo, distrikan’i Betroka, ny roa. Lavon’ny mpandroba tao amin’ny fokontany Bearena ny roa hafa, raha toa ka mbola hifampitadiavan’ny mpitandro filaminana ny fatin’ilay lavo fahadimy. Mahery vaika ny ady amin’ny asan-dahalo any an-toerana amin’izao fotoana. Manao vy very ny ainy amin’ny famongorona ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana. Manao sarotra anefa izany noho ny fananan’ireo dahalo fitaovam-piadiana mahery vaika.
Tsiferana R.