Raim-pianakaviana iray no maty nihotsahan’ny tany tao amina toeram-pitrandrahana vato sarobidy, ao amin’ny fokontany Andrany, kaominina ambanivohitr’Amboriala, distrikan’i Vohémar, ny 18 novambra 2024 teo. Nampandre ny zandary ao amin’ny poste fixe ao Amboriala ny sefo fokontany Andrany momba ny fisiana fatina lehilahy iray ao amin’ny kariera ao Ambohibala, 15 km miala ny tanàna. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera ka voamarina tokoa ny fisian’ity lehilahy tototry ny tany ity. Teo am-pitrandrahana tao amin’io kariera io izy sy ny namany no nihotsaka tampoka ny tany ka tototra tao ilay niharam-boina. Ireo namany no nifanome tanana tamin’ny famoahana azy tao anaty tany. Nambaran’ireo namany fa somary efa malemilemy ny tany ao amin’ity toeram-pitrandrahana ity ka anisan’ny antony nahatonga izao voina izao. Efa lalimbe rahateo koa ny lavaka kanefa tsy misy fiarovana akory ireo mpitrandraka fa manao sorona ny ainy. Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera, natolotra ny fianakaviany ny razana. Nisy ny fanentanana nataon’ny zandary ho an’ireo mpitrandraka mba hisorohana ny loza toy izao. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ ny zandary.
J.C