Fampielezan-kevitra: Samy manana ny paikadiny ny kandidà

Raikitra! Nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà hofidina ho ben’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Samy manana ny paikady handresen-dahatra ny mpifidy izy ireo.

Nisokatra omaly, haharitra 21 andro, ny fampielezan-kevitra ho an’ireo milatsaka hofidina ho ben’ny Tanàna. Samy manana ny fomba niatrehany izany ny kandidà isanisany. Ho an’ny Kaominina Antananarivo Re­ni­vohitra, teny an-kianja avy hatrany ireo heverina ho sangany sy manana ny fahafaha-manao. Namory mpanao gazety teny amin’ny foibeny, Ambodiroatra Bel’air, ny kandidà Razanamasy Ndriana. Nampahafantatra ny vinan’asany sy ny ekipa izy. Nisy ny fidinana teny Andavamamba ny tolakandro, nihaonana tamin’ny mpanohana sy ny vahoaka. Tetsy anoloan’ny garan’i Soarano kosa ny kandidà Ramanantsoa Harilala avy amin’ny Irmar. Nanazava ny tetikasany sy nandresy lahatra ny mpifidy izy mba handrotsaka ny vato ho azy. Izy rahateo, tsiahivina no hany kandidà vehivavy eto an-dRenivohitra.
Ny kandidà Razafinjoelina Tahiana no namaky lay ny hetsika. Nanao diabe avy ao amin’ny foibeny, eny Soani­era, nihazo an’Anosy izy ireo. Ny kandidà Ravalomanana Tojo dia nisafidy ny fitsofandrano tetsy amin’ny Magro Behoririka aloha, vao nidina an-dalambe teny Analakely nanao fanentanana. Tsy nandrenesam-peo kosa ny kandidà Monja Roindefo, Randria­ma­mpionona Joseph Martin, Gascar Fenosoa. Ity farany izay nametaka afisy ihany.

Ambiasy
Ankoatra ny fidinana ifotony, efa marevaka ihany koa ny ranty eny amin’ny tambajotran-tserasera. Tsy ho an’ny eto an-dRenivohitra ihany fa saika manerana ny Nosy. Efa samy manentana ny mpifidy azy ny kandidà no nampahafantatra ny vinan’izy ireo koa. Tsy ankifidy fari-pifidianana io fa hatrany amin’ny kaominina heverina ho tena ambanivohitra aza mampiasa facebook. Ankoatra ny famoriam-bahoaka sy ny diabe miharo fety eny amin’ny arabe, misy ny kandidà manakarama mpanakanto mihitsy.
Somary mbola vitsivitsy ny kandidà nametaka afisy amin’ny toerana voatokana hanaovana izany, omaly. Maro kosa ny nisafidy hanao izany eny amin’ny rindrin’olona sy ny toerana hita maso. Nilamina ny omaly, manerana ny Nosy.

r.r

Partager sur: