Noho ny vokatra ratsy azon’ny Barea : maniry hihaona amin’ny FMF ny lehiben’ny ligy

Taorian’ireny vokatra azo nandritra ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatre­hana ny “Can Maroc 2025”. Maniry ny hiresaka amin’ny filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, ireo lehiben’ny ligy sasantsasany eto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao voaray, omaly.

Anton’ity fihaonana ity ny hifampizarana ny tena olana mianjady amin’ny baolina kitra ankehitriny, indrindra fa ny Barea de Madagascar. Vonona ny hanome hevitra ireo ligy ary ny fitadiavana vahaolana miaraka ihany no hampandroso ity baolina kitra ity, raha ny nambaran’izy ireo ihany.

“Tsy midika ho fanonga­nana ny toeran’ny filohan’ny FMF ny hanaovana ity fifampiresahana ity fa hanolorana azy hevitra mba hahafahany mampiakatra ny lentan’ny baolina kitra eto amintsika”, hoy ity mpitantana eo anivon’ ny ligy iray ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa anisan’ny rafitra mampijoro ny rafitra federaly ny ligy.

F.R

Dinganin’i Comores hatrany

Resin’ny Coelacanthes Comores, tamin’ny isa 1 no ho 0, indray ny Barea, afakomaly, tany Maroc. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025” izay hotontosaina any Maroc. Voasongon’i Comores tanteraka ny baolina kitra malagasy, fanindroany amin’ ity izany izy ireo no heady ny amboaran’i Afrika, taorian’ny « Can 2021», izay natao tany Cameroun. Ny taona 2019, tany Egypte, kosa i Madaga­sikara no nifanintsana tamin’ izany farany. Ho fantatra ny 28 novambra ho avy izao moa ny momba ny filaharan’ ny Fifa, ka andrasana ny laharana vaovaon’i Mada­gasikara.

Partager sur: