“Lasa ambanin-javatra loatra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Any amin’ny laharana faha-6 no misy azy, raha ny fampiasam-bola no resahina ao anatin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Randriamampianina Rajerison Antoine, teny Tsimbazaza, afakomaly, ny amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2025. Tsy misy afa-tsy 5,56 % amin’ny tetibola no natokana ho an’ny famokarana na ny fambolena sy ny fiompiana. Ny minisiteran’ny Rano sy fanadiovana ary fidiovana dia saika mitovitovy amin’ ny an’ny Fambolena sy ny fiompiana. Kely fotsiny ny elanelana eo amin’izy ireo. Mampametra-panontaniana sy mahalasa saina izany. Ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany izao, ohatra, dia saika 1% amin’ny tetibolam-panjakana no azo ilazana azy. Eo koa, ohatra, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, izay fantatra fa anisan’ny minisitera iray tena tokony hampidi-bolabe ho an’ny fanjakana, nohamaivanina izany ao anatin’ny volavolana tetibola.
R. Nd.