Isan’ireo manamboninahitra nitarika mpitandro filaminana nandritra ny hetsika opération coup de poing tany amin’ny distrikan’Ankazobe, Marotsipoy ary Anjozorobe ireo manamboninahitra avy ao amin’ny andiany faha-48 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Hetsika nentina niadiana sy namongorana ny fakana an-keriny eny ambanivohitra izany. Vokatra azon’izy ireo tamin’izany ny basy Mas 36 iray niaraka tamin’ny basim-borona efatra. Marihina fa nahavita ny fiofanana momba ny cours d’application des officiers (CAO) izy ireo. Nosedraina ka nahavita ny dingana rehetra tsy maintsy nolalovana nandritra ny fiofanany tany amin’ny sekolin’ny ambonin’ny zandarimaria Moramanga nandritra ny fito volana raha roa volana tao amin’ny foibem-pibaikoana ireo vondron-kery manokana (CFS) Ivato. Vonona hiatrika sy hisedra ny mafy izy ireo rehefa handeha hiantsehatra eny an-kianja hampandry fahalemana sy hitando ny filaminana, araka ny nambaran’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert. Nahazo fanendrena vaovao izy ireo ka handeha hiparitaka manerana ny Nosy, hanatevin-daharana ireo zandary any amin’ireo tobin’ny zandarimaria.
J.C