Niakatra fampanoavana, naiditra am-ponja ireo jiolahy roa lahy mpamaky trano tratra tao amin’ny fokontany Ambohitradala, kaominina Andilamena, omaly. Avy nanao ny asa ratsiny, nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena nanao fisafoana alina izy roa lahy ireo, ny 17 novambra lasa teo tamin’ny 11 ora alina. Navesatra satria nitondra ireo entana avy nangalariny, nosakanan’ny polisy ireo olon-dratsy ireo. Nikasa hanao tongotra an-katoka saingy nifanenjehana izy roa lahy ka tratra. Niaiky heloka, nentina teny anivon’ny biraon’ny polisy izy ireo. Natolotra ny fampanoavana. Naverina amin’ny tompony ireo entana halatra sarona.
Tsiferana R.