Efa ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina hatao amin’ny 11 desambra izao. Na somary mbola nangingina aza ny fanombohana omaly fa ny petadrindrina no betsaka, raha ho an’ Antananarivo Renivohitra, ohatra, misy ny didy aman-dalàna mifehy izany. Fampahatsiahivana ankapobeny araka ny 55 ka hatramin’ny 119 ao amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 no mamaritra azy. Azo atao, ohatra, ny famoriam-bahoaka, diabe… Saingy tsy maintsy ampahafantarina an-tsoratra mazava 48 ora mialoha amin’ny solontenam-panjakana eo an-toerana izany. Ireo mpikarakara ny hetsika no miandraikitra ny fiarovana sy ny filaminana ary ny fanajan-dalàna. Raha misy ny tranga mety hiteraka korontana na fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, manana fahefana hampiato sy handrava ny hetsika ny solontenam-panjakana.
Tsy tokony hisy fanalam-baraka sy fanaratsiana amin’ ny fisehoana sy hetsika ary ny fitenenan’ireo kandidà mandritra ny fampielezan-kevitra. «Mba tsy hilazana koa fa mitazam-potsiny ny Ceni amin’izay tranga mety mahabe resaka ny besinimaro”, hoy ny mpampakatenin’ ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly.
R. Nd.