Mitondra ny anjara birikiny amin’ny famahana ny olan’ireo firenena ao anatin’ny Sadc, misedra krizy i Madagasikara. Izany dia taratry ny fananantsika toerana manan-danja eo amin’ny sehatry ny diplomasia.
Notontosaina tao Harare Zimbabwe omaly, ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny Fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy ny governemanta anatin’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany i Madagasikara niaraka tamin’ny delegasionina notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Nitarika ny fivoriana ny Dr. Emmerson Dambudzo Mnangagwa, filohan’ny Repoblikan’i Zimbabwe sady filohan’ny Sadc am-perinasa notronin’ireo filoham-panjakana sy governemanta mpikambana eo anivon’ity vondrona ity. Nisongadina nandritra ny fivoriana ny mahakasika ny raharaha ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC).
Nandray anjara feno tamin’ny fivoriana natao tany Zimbabwe i Madagasikara amin’ny maha mpikambana eo anivon’ny Troika azy. Tao anatin’izany no nandinihina ny momba ny krizy politika misy ao RDC sy nanaovana tombana ny ezaka vita mahakasika ny iraky ny Sadc tany amin’ity firenena ity. Tafiditra tao anatin’ny lahadinika ihany koa anefa ny adihevitra mahakasika ny hanohizana na tsia izany iraka izany.
Vonona !
Naneho ny fahavononany amin’ny fitondrana vahaolana ho an’ny firenena mpikambana ato anatin’ny vondrona hisian’ny fampandrosoana maharitra i Madagasikara. Ankoatra izay, nasian-dresaka ihany koa ny mahakasika ny fivorian’ity vondrona ity ho atao eto Madagasikara. Vonona tanteraka ny fitondram-panjakana handray izany fihaonana an-tampony izany. Efa amperiny ireo fanomanana maro samihafa. Anisan’izany ny fanofanana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny mahakasika ny fandraisana ireo vahiny manan-kaja. Tanjona ny hampanara-penitra ny hetsika sy ny fandraisana azy.
Lin




