FANTINA sy FINTINA

Nahaliana ny Solombavambahoaka ny
famelabelarana nataon’ny Fid (Fonds d’Intervention pour le Développement), omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nangatahan’ireo depiote fanazavana ny momba ny fanaovana sivana ireo tokony hisitraka ny tolotra ataon’ny Fid, nanolotra soso-kevitra koa izy ireo ampahafantarana azy ireo sy ny tomponandraikitra eny an-toerana rehefa misy hetsika atao any amin’ny distrika.
Teny amin’ny boriborintany fahenina no nanohizan’ny kandidà laharana fahafito, Harilala Ramanantsoa, ny fampielezan-keviny, omaly. Tao anatin’izany no nidinany sy nidirany tany anaty tanàna, nijereny ny maharary sy ny filan’ny mponina eny ifotony. Ankoatra izay, nizara ny vinan’asany ho fampandrosoana an’Antananarivo koa ity kandidà mirotsaka hofidina ben’ny Tanànan’Antananarivo ity.
“Famonoana vahoaka ny PLFI 2025 raha holanian’ireo solombavambahoaka”, hoy ny solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko, lehiben’ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimierampirenana. No­tsin­driny koa fa tsy nanaraka ny lalàna 2004- 007 izay mifehy ny tetibola ao amin’ny andininy faha-46 no na­ha­tongavan’izany teny amin’ny Lapan’ny Ante­ni­mierampirenena noho ny fahataran’izany 15 andro.
“Aza mijery tsangan’olona sy anaran’olona fa tsangan-kevitra fidina.” Hoy ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Nambarany ihany koa fa kihon-dalana lehibe ho an’ny firenena sy ny vahoaka ny fifidianana ben’ny Tanàna, izany fifidianana ifotony sy tena manakaiky vahoaka, ao anatin’izany izao fampielezan-kevitra izao. Tsy hadinon’ity filoha teo aloha ity ny niantso ireo mpomban’ireo kandidà tsy ho voasariky ny korotana.

Partager sur: