“Raha tiantsika ny hitohizan’ny fampandrosoana aty amin’ny faritr’i Toamasina, aoka ny vahoaka mba hisafidy olona hita fa mitovy hevitra amin’ny filohan’ny Repoblika”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny faritra avaratra, i Eric Besoa, tany Toamasina, omaly, ny amin’ny fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna. Mba tsy hisy sakantsakana sy olana amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa.
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana zambianina, Princess Kasune, tany Zambia, afakomaly, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, araka ny fampitam-baovao, omaly. Nisy ny fifampizarana ny traikefa sy ny fomba fiasa mahomby amin’ ny ady amin’ny kolikoly miantoka ny fandrosoan’ny firenena. Eo koa ny fikarohan-dalana ho fanatsarana hatrany ny asam-pitsarana.
Noraisin’i John Francis McFall, filohan’ny Chambre des lords any Royaume- Uni, tao amin’ny Lapan’ny parlemanta britanika ny Jly Ravalomanana Richard, filohan’ny Antenimerandoholona malagasy. Omaly nandritra ny fivahinianany any Londres no nanaovana izany. Fiarovana ny tontolo iainana, fampiasana angovo madio sy azo havaozina ary fametrahana fandriampahalemana maharitra no noresahin’izy ireo tamin’izany.
Dinika sy fiaraha-misakafo tamin’ireo zokiolona teny Volosarika, boriborintany faharoa, no nentin’ ny kandidà Harilala Ramanantsoa, laharana fahafito, nanohizana ny fampielezan-keviny. Tao anatin’izany no nampahafantaran’ity kandidà ity ny vinany amin’ny fampandrosoana sy fampivoarana an’Antananarivo sy ny mponina ao aminy.