Niala aina teny Anosibe ny lehilahy mpibata entana iray, tokony ho 60 taona. Voalaza ho hanoanana no nahafaty azy. Efa tsy tafody an-trano izy ny alina mialoha an’io.
Raim-pianakaviana iray, tokony ho 60 taona, no niala aina sy hita faty tetsy akaikin’ny toeram-pivarotana fanafody iray tetsy Anosibe, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Hitan’ny olona natory sy nijanona teo amin’io toerana io izy hatramin’ny alina mialoha an’io, raha ny fanazavan’ny mpivarotra sy ny mponina eny an-toerana. « Efa nanomboka nanary aina izy tamin’ny 9 ora maraina tany ho any ary izao maty izao», hoy ireo mpivarotra nahita ny zava-nitranga. «Niandry azy tany an-tranonay aho halina fa tsy nody izy, gaga aho nahita azy toy izao», hoy ny vadiny tonga teny an-toerana rehefa naheno ny tranga.
Tsy tena maty fa mbola nanary aina ity raim-pianakaviana ity, nandritra ny fandraisan’ny vadiny azy. Nilaza kosa ny rasazy iray nandalo teny an-toerana fa efa maty izy tamin’ny fizahana nataony. Nentina haingana teny amin’ ny hopitaly HJRA ilay raim-pianakaviana. Tsy tana ny ainy teny an-dalana. Nalefa any amin’ny tranom-paty ny razana nanaovana fizahana.
Mpitaona voatabia
Mpanao dokera sy mpitaona voatabia, isan’andro, ao amin’ny tsenan’Anosibe ny tena ahafantaran’ny maro azy. « Harerahana diso tafahoatra sy hanoanana nandritra ny alina ny mety ho antony nahafaty azy », raha ny fanazavana voaray hatrany. Marihina fa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisim-pirenena. Efa any anivon’ny fianakaviana kosa ny razana amin’izao fotoana izao.
Mino