Voaheloka higadra folo taona an-tranomaizina, sazy mihatra, ny roa lahy tamin’ireo miaramila dimy voasaringotra tamin’ny famonoana ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andranomiely, distrikan’ Ankazobe, afakomaly. Notanterahina tao amin’ny fitsarana tao Ankazobe ny momba ny raharaha nahafaty io ben’ny Tanàna io, ny alakamisy 21 novambra teo. 38 mianadahy indray voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Miaramila ny dimy. Olona tsy vaovao anatin’ny kaominina ao an-toerana kosa ny ampahany tamin’ireo am-polony nohazonina vonjimaika. Voaheloka higadra fito taona ilay lefitry ny ben’ny Tanàna, raha toa ka 5 taona ny vehivavy iray niray tsikombakomba taminy. Sazy mihantona 5 taona ho an’ireo miaramila telo lahy. Tetsy ankilany, nahazo fahafahana noho ny fisalasalana ireo 31 mianadahy niaraka notanana tamin’ireo olona fito nahazo sazy ireo. Tsiahivana, notafihana dahalo nirongo fitaovam-piadiana ity ben’ny Tanànan’Andranomiely ity, ny 10 janoary lasa teo. Notifirina tao an-tranony teo ambany mason’ny vady aman-janany izy. Nifanindry andalana tamin’io fotoana io, nirongatra izay tsy izy ny tranga fakana an-keriny tao amin’io distrikan’Ankazobe io. Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza momba ireo nahafaty io olom-boafidy io ny mpitandro filaminana. Voasaringotra tamin’izany ny sefo fokontany niampy tomponandraikitra eo anivon’ny tanàna. Vokany, tafakatra 38 ireo olona voarohirohy ireo.
Tsiferana R.




