Ivato : Vehivavy nahatrarana rongony 38 fonosana

Renim-pianakaviana mpivarotra rongony voasambotra tao Ivato K5, omaly. Naharay fampandrenesana ny mpitandro filaminana fa misy ramatoa manaparitaka rongony ao amin’io fokontany io. Lasibatry ny voka-dratsy ateraky ny fisiana andian-tanora midoroka io karazan-java-mahadomelina io ny mponina manodidina. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ankadindravola. Sarona tao amin’ny tokantranony mihitsy ilay ramatoa nahiahiana. Nosavaina tao aminy ka nahitana rongony 30 fonosana madinika ary valo tamina fonosana lehibe. Nentina namonjy ny biraon’ny zandary io vehivavy io. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana izy. Nodorona ireo rongony teny aminy.

Tsiferana R.

Partager sur: