Sehatra hahazo tombony amin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Etazonia ny eo amin’ny lafiny fandraharahana. Tsy ho latsa-danja koa anefa ny fandriampahalemana sy ny maha olona.
Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny masoivohon’i Etazonia, Claire Pierangelo.
Sehatra maro no noresahina nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, anisan’izany ny eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara, niresahina mahakasika ireo fampiasam-bola amerikanina ny Millenium Challenge Corporation sy ny Agoa . Tanjona ny ho fanatsarana sy fampivelarana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta.
Mitohy hatrany ny fanatsarana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo firenena maro maneran-tany. Ny Amerikanina izay anisan’ny firenena matanjaka indrindra. Nisy anefa ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ ity firenena ity. Anisan’izany ny eo amin’ny sehatry ny toekarena, ny eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, indrindra amin’ny fiadiana amin’ny asa fampihorohoroana. Eo ihany koa ny sehatry ny fitsarana sy ny fanondranana olona tsy ara-dalàna.
Hitondra vokatsoa maro izao fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izao, indrindra ho an’i Madagasikara. Anisan’izany ny fisian’ny tetikasa sy fampiasam-bola amin’ireo sehatra lehibe. Eo ihany koa ny fitohizan’ireo fampiasam-bola amin’ny alalan’ny Millenium Challenge Corporation.
Lin