Fiatrehana fifidianana : 55% amin’ny distrika no efa nahazo fitaovana

“Amin’izao, 55% amin’ny distrika manerana an’i Mada­ga­sikara no efa nahazo en­tam-pifidianana”, hoy ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny lojistika momba ny fifidianana eny anivon’ny Ceni, Ramangalahy Tsiry, teny Ala­ro­bia, omaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny Ta­nàna sy mpanolotsain’ny Ta­nà­na amin’ny 11 desambra. Aparitaka eny anivon’ny distrika sy ny kaominina ireo en­tam-pifidianana. Miafara any amin’ny birao fandatsaham-bato izay fanapariahana izay. Araka izany, efa misy kaominina nahazo ny azy. Efa nahazo avokoa ireo heverina fa saro-dalana. Avy eo, eny amin’ny fokontany, ary miafara any amin’ny birao fandatsaham-bato amin’ny fotoana tokony hahatongavany any.
Misy sokajy telo ireo fitaovam-pifidianana sy taratasim-pifidianana nalefa. Eo ny an­ton­tan-taratasy tsotra, izay ampiasain’ny mpikamban’ny biraom-pifidianana mandritra ny latsa-bato: taratasy fanekena na fanirahana, karatra fa­man­tarana… Manaraka, ny antontan-taratasy saro-pady toy ny biletà tokana, ny fitanana an-tsoratra (PV) na taratasy fanisam-bato. Farany, ny fi­ta­ovam-pifidianana toy ny vata fandatsaham-bato fa nohavaozina izay nanana teo aloha ne­fa simba, jiro, ranomainty tsy ma­ty vonoina… Efa vonona ta­lo­han’ny fifidianana ny Ceni, vao mainka fa amin’izao ao anatin’ny fifidianana izao. Azo antoka ny famatsiana fitaovam-pifidianana, araka ny fanazavany.
Nambaran’ny talen’ny ra­ha­raham-pifidianana sy ny fi­tsa­pan-kevi-bahoaka eo anivon’ny Ceni kosa tsy azo so­ka­fana ireo entam-pifidianana raha tsy amin’ny andro fandatsam-bato amin’ny 11 desambra.

R. Nd.

Partager sur: