Nipotsaka ny atidohany, niparitaka tamin’ny arabe ny vatany, ka maty tsy tra-drano ny lehilahy iray teny amin’
ny fokontany Amborompotsy- Bel’Air, kaominina Talatamaty, ny marain’ny sabotsy 23 novambra teo, tamin’ny 11 ora. Mpandalo eny amin’io lalana io ity tra-doza ity. Nitaingina tao anatin’ny kalesa ilay lasibatra, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. “Nentina ankizilahy iray tao anatina kalesa izy. Tsy voafehin’io mpitondra io tampoka anefa ny familiana”, hoy ny fanazavan’ny zandariamaria eo anivon’ny tobim-paritra Talatamaty. Nifanoha-dalana tamin’ireo mpitaingina kalesa roa lahy ireo, kamiaobe iray niakatra amin’ny lalàna mihazo an’Imerinafovoany. Nandeha mafy ny kalesa notaingenan’ireo roa lahy noho izy ireo nihazo ny fidinana. Ankilany, nandeha mafy koa ilay kamiao noho ity farany nihanika fiakarana.
Tsy afa-niala
Nentin’ny hatairana, tsy voavilin’ilay lehilahy nitondra azy intsony ny kalesa. “Nitsambikina niala anatin’ny kalesa ilay mpamily azy. Tavela ny lehilahy iray namany”, araka ny fanampim-panazavana voaray teo anivon’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Talatamaty. Vokany, tafatsofoka tao amin’ny ilan’ny kodiarana havanana aoriana io lehilahy iray tratra farany io. Notetezin’ny kodiarana ny tenany. Niparitaka ny atidohany. Potika tanteraka ny vatany. Tsy nisy na inona na inona azo natao intsony fa namoy ny aina teo no ho eo io lehilahy io. Naratra ilay namany nitsambikina. Manentana ny mpampiasa arabe hitandrina hatrany ary ho mailo sy hanaja ny lalàn’ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana ao an-toerana hisorohana ny loza tahaka izao. Ny lalan’ny fiara ho an’ny mpampiasa fiara sy moto. Natao hanaraka ny toerana natokana ho azy kosa ny mpandeha an-tongotra raha toa ka manaja ny lera tokony hivezivezeny ny mpampiasa kalesa.
Tsiferana R.