Lehilahy nolerana zava-maranitra: atidohan’ilay vono olona ny rahalahiny

Tra-tehaky ny zandary ireo telo lahy ahina ho namono olona tao Mantasoa, tamin’ny zoma. Voalaza ho atidohan’ izany ny rahalahin’ilay lasibatra, izay mbola nihosin-dra ny tanany.

Nahitan’ny mpitandro fila­minana ra nihosona, afakomaly, ny tanan’ny lehilahy iray izay rahalahin’ny olona hita faty tao amin’ny fokontany Anjozoro, kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana. Nitrangana vono olona nahatsiravina tao amin’io kaominina io, ny alin’ ny alarobia hifoha ny alakamisy 21 novambra teo. Lehilahy 48 taona hita faty rakotra dian-java-maranitra, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nampandre ny mpitandro filaminana ny sefo fokontany vantany naharay ny loharanom-baovao. Nigadona teny an-toerana, nozahana ny vatana mangatsiakan’ilay ma­ty. Voamarina tamin’ny alalan’ny fitilian’ny mpitsabo fa nolerana zava-maranitra ny vatan’io lehilahy io. Simba tanteraka ny tarehiny sy ny tongony.

Niniana novonoina
Disadisam-piarahamonina no fototry ny vono olona. Nanana olana ara-tsaina ilay lehilahy nisy namono. Nite­raka fahasorenana ho an’ireo mpiray monina taminy izany. Izay rahateo no ahina ho anton’ny namonoan’ny rahalahiny azy. Tsy niandry ela, nanokatra fanadihadiana lalina mo­mba ity tranga ity ny zandarimaria miasa ao an-toerana.
Voasambotra ny lehilahy iray izay rahalahy iray tampo amin’ny maty ihany. “Mbola nihoson-dra ny tanan’io rahalahiny io”, araka ny fanazavan’ny zandarimaria. An­ko­atra azy, roa lahy ahina ho nanatontosa ny famonoana tamin’io rahalahin’ny maty io koa, notazomina natao famotorana. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy telo lahy.

Tsiferana R.

Partager sur: