Alemaina – Madagasikara: hamafisina ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana

Manamafy ny fifamatorana diplaomatika i Madagasikara sy Alemaina. Nanomboka omaly ny dinikasa ifanaovan’ny governemanta roa tonta.

Nanomboka teny amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny, Anosy, omaly, ny dinika ifanaovan’ny governemanta alemaina sy malagasy. Nitarika ny delegasiona alemaina ny ambasadaoro Oliver Knoerich. Naneho ny fahavononany hanamafy hatrany ny fifandraisana diplao­matika eo amin’ny roa tonta izay efa tamin’ny 1960 izy. Mahatratra 490 tapitrisa euros no natokan’ny governemanta alemaina ho fanohanana ireo tetikasa lehibe eto Madagasi­ kara. Anisan’izany ny fanatsarana ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina. Eo koa ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mifanindran-dalana amin’ ny vinan’ny filohan’ny Repo­blika, Andry Rajoelina, ireo tetikasa reo. Miantefa koa amin’ ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka.
Nohamafisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, kosa ny faha­vononan’ny governemanta ma­lagasy hampiroborobo hatrany ny fifandraisana diplaomatika. Mifototra amin’ny fiaraha-miasa ahitan-tombontsoa ho an’ny roa tonta izany. Fotoana iray ahazoana mifanakalo hevitra ho amin’ny fampandrosoana ny fifampidinihana.
Nomarihin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa fihaonana ara-pomba ofisialy eo amin’ny governemanta mikendry ny handini­hana ny fiaraha-miasa efa misy ny dinika toy izao eo amin’ny sehatry ny diplaomasia. Amin’ izany no hamaritana izay laharam-pahamehana sy handrafetana drafitra stratejika ary hanamafisana ny fifandraisan’ ny roa tonta na marolafy eo amin’ireo sehatra iombonana mahaliana.

R. Nd.

Partager sur: