Namono ny rahalahiny : naiditra eny Tsiafahy ireo telo lahy nahavanon-doza

Tsy niandry ela, natolotra ny fampanoavana ka nalefa eny Tsiafahy, omaly, ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny famonoana lehilahy iray 48 taona. Disadisa nisy teo amin’io rahalahiny io sy ny iray tampo aminy no antony niteraka ny vono olona niseho ny 21 novambra lasa teo, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Nisedra olana ara-tsaina ilay lehilahy 48 taona. Miray trano aminy anefa ny zandriny lahy. Leo ny adalan’io rahalahiny io, nanita-kevitra nanao izay ho afany nanamperana ny ain’io zokiny io ilay zandriny. Olona roa hafa niray tsikombakomba taminy nanao ny vono. Nampiasa zava-maranitra ireo telo lahy namono io lehilahy 48 taona io. Tsiahivina, voasambotry ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Anjozoro, kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana ireo nahavanon-doza, ny 22 novambra teo. Tao amin’io toerana io ihany rahateo no nahitan’ny fokonolona ny fatin’ilay olona niharan’ny vono.

Tsiferana R.

Partager sur: