Fanafihana Cash point : Jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fanafihana Cash point indray tao Mangarivotra Atsimo, kaominina Toamasina, omaly hariva tamin’ny 7 ora. Telo lahy nitondra antsy, niandry an’ilay ramatoa mpitantana io toeram-pandefasam-bola io. Tsy niala dimy metatra io toeram-piasany io, norahonan’ireo jiolahy tamina antsy lava izy. Handroba ilay fitoeram-bola teny amin’io renim-pianakaviana io sy ny finday fampiasany ireo mpandroba telo lahy ireo. Tetsy ankilany, tsikaritry ny mponina manodidina ny fihetsik’ireo olon-dratsy. Vao maika nahatonga azy ireo hanohitra ireo jiolahy ny tsy fisian’ny fitaovam-piadiana toy ny basy teny amin’ireo mpandroba ireo. Nirifatra nanao tongotra an-katoka ny roa lahy. Tra-tehaka kosa ny iray. Niharan’ny daroka sy ny vono. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nitondra ity farany hatao fanadihadiana. Voatery nentina toeram-pitsaboana anefa io jiolahy io noho izy tsy nahatsiaro tena intsony taorian’ny daroka.

Sajo

Partager sur: