Ady amin’ny famotsiam-bola. Hisy ny fanavaozana ny paikady vaovao avy amin’ny governemanta
amin’izany.
“Misy paikady havoakan’ny governemanta ato ho ato hiadiana amin’ny famotsiam-bola. Fantatra fa misy io asa ratsy be io. Nefa tsy hita hoe manao ahoana ny fisehoana sy ny fanenjehana?” Io ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Samifin, Rajaonarison Mamitiana, teny Ambohijanaka, omaly, taorian’ny fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Samifin sy ny Alliance Voahary gasy amin’ny fanenjehana ny famotsiam-bola azo amin’ny fanondranana harena voajanahary. Anisan’ny ngezabe amin’izay paikady izay ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra: mpanao fanadihadiana, mpanome sy mpampita vaovao… Eo koa ny amin’ny sehatra tsy miankina. Tsy afa-misaraka amin’izay fanatsarana ny fahaiza-manao sy ny traikefa izay ny fiarahamonina sivily.
Lehibe amin’izay paikady izay koa ny fahaizana miara-miasa. Tsy jerena mitokana intsony, ohatra, ny ady amin’ny kolikoly, ny asa ratsy toy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary, ny famotsiam-bola… Mahazatra ny hoe rafitra iadiana amin’ny kolikoly, fa tsy izay rafitra izay ihany no anatin’ny fiaraha-miasa. Ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ohatra, tsy ao antin’ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly, nefa manana andraikitra lehibe. Satria ilaina ny diplaomasia rehefa hanenjika any ivelany an’ireo harena azo amin’ny tsy rariny avy eto Madagasikara. Sarotra be ny mitsitrika sy manenjika ny famotsiam-bola amin’izao tahan’ny Malagasy tsy mampiasa banky sy vola ampitaina amin’ny telefaonina izao. Sarotra ny ady raha mbola bolongam-bola no mivezivezy. Nefa hita ihany izay rehefa mivadika trano, fiara…
R. Nd.