FANTINA sy FINTINA

Volavolan-dalàna miisa telo ho fankatoavana fampindramam-bola no nolanian’ireo solombavambahoaka nandritra ny fivoriana omaly, teny Tsimbazaza, notariin’ny filoha mpisolo toerana, Augustin Andriama­nanoro. Entina hanatanterahina tetikasa hiatrehina ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny sehatra maro ireo vola trosaina ireo.
« Mitovy zo ny kandidà » hoy ny avy eo anivon’ny KMF Cnoe, nandritra ny fanambarana nataony ny alatsinainy teo, teny amin’ny foibe toerany Antani­mena. Takin’ny fikambanana ny fitovian-jo tanterahin’ny mpikirakira fifidianana sy ny fitondram-panjakana amin’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina kaominaly na monisipaly, amin’izao fampielezan-kevitra sy fiatrehana ny fifidianana izao.
Noraisin’ny praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo, omaly, ny delegasionin’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny asa (OIT), tarihin’i Fanfan Rwanyindo Kayirangwa, Talem-paritry ny OIT aty Afri­ka manontolo. Anisan’ny nisongadina nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny firesahana ny mahakasika ny ezaka ametrahana ny lalàna vaovao mifehy ny asa eto amintsika.
“Ao anatin’ny fitambarana no ahazoana fandresena”, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy, filohan’ny Antoko Freedom. Vonona ny antoko hanohana ny kandidà Harilala Ramanantsoa, mirotsaka ho fidina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Partager sur: