Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao. Amin’ny tonon-taona na fiandohan’ny taona toy izao, miraradraraka ny fifampirarian-tsoa. Mby amin’ny hoe ny hafaliana raha zaraina, mihamitombo; fa ny alahelo, mihamihena. Hatraiza no iainana izay? Tsy vitan’ny falifaliana na famalifaliana ny fiatrehana ny fiainana isan’andro sy ny famakivakiana ny taona; eny, na eo aza ny andro iray toa zato ifampizarana hafaliana sy ifampirariana soa. Mandritra ity volana ity no ifanaovana sy ifamotoanana amin’izany. Saingy sao tsy afaka faran’ny lohany?
Arakaraka izay atao amin’ny fanombohan-javatra ihany, hono, no mety ho tohiny sy farany amin’ny hoe tsy afaka faran’ny lohany: sasatry ny manombo-javatra, sasatry ny miarina. Izay ratsy fanombohana tsinona, ratsy fiafara ho azy. Ilaina ny fitandremana amin’izao fiandohan’ny taona izao. Sao be famaritra fotsiny, sanatria? Na mafana fo am-boalohany amin’ny fanaovana afo-mololo, na miandry sy manantena izay mety hataon’ny hafa… Nefa arakaraka izay ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy ny taona diavina. Hanao ahoana?
Amin’izao fiandohan’ny taona izao, efa misy ny tahotra sy fanahiana be ihany ny taom-pamokarana noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo koa ny rivodoza mpiavy isan-taona. Miara-dalana ho azy amin’izany ny tondra-drano, ny fahasimban-javatra… Mety ho tonga hatramin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny mosary, sanatria? Ny tamin’ny taon-dasa farany teo, tsy mbola mahafa-bela ny fahavoazana amin’ny distrika sasany. Ny amisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa. Azo antoka fa efa voajerin’ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga izany amin’izao? Tsy inona fa mba hialana amin’ny faran’ny lohany. Izay tsara fiomanana tokoa, tsy tampohin’ny loza.
Fa loza ahiana sy atahorana amin’ity taona ity koa ny hoe korontana na krizy politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Noho izany resahin-dava? Na voizin’ny sasany aza hamendrofendroana sy efa karazana fanakorontanana sahady amin’izany. Tsy fahatokisan-tena amin’ny fifidianana no antony? Lasa tsy fahatokisana ho azy ny hafa, manjary tsy fifampitokisana amin’ny farany. Mba ho afaka faran’ny lohany ve amin’ity taona ity amin’izay fiatrehana fifidianana izay?
R. Nd.