Namono an’i Miley kely : roa lahy naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Niakatra fampanoavana, roa lahy namono nahafaty an’i Miley kely sy iray mpiray tsikombakomba niara-notanana am-ponja, ny talata 26 novambra teo.

Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ao Tsiafahy ny roa ary ao Ankazondrano, ny iray, izay samy voasaringotra ho nahavanon-doza namono na­hafaty an’i Miley, ilay zazavavy 7 taona, tao Fianarantsoa. Nisy nahita ny roa lahy nibata ny gony nisy ny fatin’io zazavavy io tamin’ ny andro nikarohan’ny fianakaviana azy. Mpi­bata entana na irony atao hoe Dokera irony ireo olona roa nisy nahita ireo. Nampia­hiahy ny manodidina ny fihe­tsik’izy roa lahy ireo. Nanokatra fanadiadia­hana lalina ny mpitandro filaminana nisahana ny raharaha. Olona efatra niaraka nosamborina. Natolotra ny fampanoavana izy ireo taorian’ izay. Nanampa-kevitra ny fitsa­rana fa hazonina vonjimaika any am-ponja ireo telo lahy raha toa ka nahazo fahafa­hana ny iray. Nandray anjara mivan­tana tamin’ny famo­noana ilay zazavavy ny roa lahy ka an­tony nihazonana azy ireo eny Tsiafahy.
Halatra taova

Hatreto, tsy fantatra ma­zava ny anton’ny nangalaran’ izy ireo ilay zazavavy sy an­tony namonoana azy. Ahin’ny fianakavian’ny lasibatra ho vonoan’olona tsotr’izao ity natao an-janak’izy ireo ity. Etsy ankilany, miely ny resaka fa mety ho halatra taova no anton’ny nangalaran’ireo olon-dratsy ilay zaza. Raha tsiahi­vina, novonoina sy natao tanaty gony ny vatana mangatsiakan’i Miley, zazavavikely vao fito taona, ny 18 novambra lasa teo.
Nilaza i Alista Rossina, raibeny fa nivoaka hilalao no nialany tao an-trano. Man­gana ny fihirifany, ny hatony, ny kibony ary tapaka ny tanan’i Miley kely tamin’ny fotaoana nahi­tan’ny havany ny vatana mangatsikany tao atsimon’ ny Lycée Raherivelo Rama­monjy, fokontany Isaha, Fia­naran­tsoa.

Tsiferana R.

Partager sur: