Nomen’ilay jiolahy : nanaovan’ny sakaizany ilay akanjo very

Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika ny jiolahy iray sy ny sakaizany voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanafihana narahina vaky trano tao Vatomandry. Ny 5 novambra 2024 teo, tonga tao amin’ny kaomisaria Vatomandry ny olona iray nametraka fitoriana momba ny fahavakisan’ny tranony ao Ampandranety kaominina Vatomandry. Nanokatra fanadihadiana ny polisy ka vehivavy iray tao Samahatevina no hita nisalotra akanjo anisan’ ireo entana very nandritra ity vaky trano ity. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy izy nanaovana fanadihadiana ka tamin’izany no nanondroany ny sakaizany nanome azy io akanjo io. Niroso tamin’ny fisamborana azy ny polisy ka hita tao an-tranony avokoa ireo entana very nandritra io vaky trano io, toy ny kojakojan-dakozia sy fitaovana maro hafa. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ity nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.

J.C

Partager sur: