Tsy mety tena milamina ho amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tontolo politika eto Madagasikara. Nahoana? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Fiombonan’ny fiarahamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Richardson. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny fanaovana politika amin’izao?
Rakotomanana Richardson (-): Toy ny lasa demokrasia gaboraraka sy fahafahana baranahiny no misy… Tsy mety eto amin’ny firenena ity hoe samy te ho mpanao politika avokoa ny rehetra. Satria tokony hisy fitsinjarana asa eo amin’ny fiarahamonina. Izay no ataonay CSCPM hoe misy fizarana andraikitra fito ao anatin’ny fiarahamonina. Misy ny fiarahamonina politika izay matanjaka indrindra, ny fiarahamonina ekonomika, ny fiarahamonina ara-pinoana, ny fiarahamonina sivily, ny fiarahamonina ara-tafika, ny fiarahamonina arakasa, ny fiarahamonina ara-tserasera. Manimba ny fiarahamonintsika ny fampiharana ny demokrasia gaboraraka, fahafahana baranahiny, zon’ olombelona goragora…
* Inona no hanarenana an’izay
– Manova ny fomba fijery, fiteny, fiasa… Miala amin’ny tsy fanekena fiovana sy fanovana izany; ny fahazaran-dratsy amin’ny kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana, fanondranana antsokosoko, harem-pirenena… Rehefa atao lisitra ny toetra amam-pomba toy ny hoe ory hava-manana, tsy te hofehezin-dalàna, tsy manaiky lembenana amin’ny hevi-diso… Tsy tokony harahina befahatany ny fomba fijery tandrefana, izay fahafahan’ny tsirairay mahazo manao izay tiana hatao, demokrasia liberaly, laisiten’ny fanjakana… Ny fampiharana an-jambany ny kolontsaina tandrefana no manapotika ny fiarahamonintsika. Izay koa ny fanaovana politika eto: fifankahalana, fifanaratsiana, famafazana lainga, fanapotehana fiainan’olona manokana… Tokony ho ideolojia no anaovana politika, fa tsy seza fotsiny no iadiana.
* Inona no tokony hatao izao?
– Misy zavatra tsy mety eto. Izay no mahatonga anay CSCPM manao hoe: andao isika hamerina ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy: ny fahatahorana an’Andriamanitra an-tampon’ny loha, ny fahatahorana ny tsiny sy ny tody ary ny fanaovan-dratsy, ny fahatahorana ny fiarahamonina fa tsy tany no fady fa ny vavam-bahoaka, ny fanajana ny raiamandreny rehetra na ara-panjakana na ara-drazana na ara-panahy, ny firaisankina.
Nangonin’i R. Nd.