Ao anatin’ny fampielezan-kevitra fampahafantarana ireo vinany avy ireo kandidà milatsaka hofidina ben’ny Tanàna, amin’izao fotoana izao. Anisan’ izany ny kandidà, Harilala Ramanantsoa, ho an’ny eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ankoatra ny fihainoana ny maharary sy ny filan’ny mponina, anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ ity kandidà ity ihany koa ny fampahafantarana ny vinan’ asany ho fanatsarana ny fiainan’ny mponina sy ho fampandrosoana ny eto Antananarivo Renivohitra. Vina izay mamaly ny filan’ny mponina tanteraka.
Tetikasa laharam-pahamehana sy mamaha ny olan’ ny mponina eto an-dRenivohitra no aroson’ny kandidà Harilala Ramanantsoa. Anisan’ izany ny fanatsarana ny sekoly eny anivon’ny fokontany sy fampisitrahana « cantine scolaire » ireo mpianatra. Eo ny fiantohana fitaovam-pianarana sy fijerena manokana ireo fianakaviana marefo. Misy ihany koa ireo vina fandrindrana ny fifamoivoizana, ny tsena, ny fako ary fanatsarana ny endriky ny tanàna.
Lin