Vondrom-bahoaka ifotony : hohavaozina sy hohafainganina ny famatsiam-bola

Atao eto Madagasikara mandritra ny roa andro, omaly sy anio, ny fivoriambe faha-12 eo anivon’ny Riafco. Nanokatra izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina.

Ireo rafitra fampandehanana hanavaozana ny famatsiam-bola ny vondrom-bahoaka. Io no lohahevitry ny fivoriambe faha-12 eo anivon’ny Réseau des institutions Africaines de financement des collectivités locales (Riafco), natomboka teny Ivandry, omaly, ary hifa­rana anio. Nanokatra izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Man­dray anjara amin’izao fikaonandoha iraisam-pirenena hanatanterahana ny fanamby amin’ ny famatsiam-bola ifotony izao ny delegasiona 11 avy amin’ny firenena mpikamban’ny Riafco. Eo ny avy any Burkina Faso, Burundi, Cameroun, Côte d’Ivoire, Mali, Mauritanie, Niger, Repobli­kan’i Guinée, Repoblika demokratin’i Congo (RDC), Sénégal, Togo. Eo koa ireo manampahaizana iraisam-pirenena sy ny solontenan’ny fikambanana mpiara-miombon’antoka.
Tanjona ny hampahazava ireo olana mifandray amin’ny famatsiam-bola ny vondrom-bahoaka ifotony, indrindra ny fiatrehana ny fanamby mihamitombo amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Hampiasaina koa izany amin’ny sehatra handalinana ny paikady mikendry ny fanafainganana ny fanatanterahana ireo tanjona lehibe maneran-tany toy ny Agendas 2030 sy 2063. Misy ny tohana stratejikan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny vola sy teknika. Hahazoan-tombony amin’ny fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka teknika sy vola mirotsaka amin’ny fanatanterahana asa amin’ny Drafi-pirenena amin’ny fitsinjaram-pahefana fisandratana (PNDE) eto Madagasikara izany. Anisan’izany ny Banky iraisam-pirenena, ny tetikasa Mionjo, ny Pnud, ny Tahiry fampitaovan’ny Firenena mikambana (UNCDF), ny fiaraha-miasa alemaina (GIZ) amin’ny alalan’ny tetikasa Prodécid, ny Ambasadaoro frantsay amin’ny alalan’ny Scac.

R. Nd.

Partager sur: