Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Jly Ravalomanana Richard, filohan’ny Antenimierandoholona, i Khazamula Lawrence Chabane, masoivoho vaovaon’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara. Omaly, teny amin’ny Lapan’Anosikely no nanatanterahana izany fihaonana teo amin’ny roa tonta izany. Ankoatra ny fanatsarana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo izay efa nisy hatramin’izay, anisan’ny nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ireo tomponandraikitra ireto ny fiaraha-miasa amin’ny fiarovana ny sisintany sy ny fifanampiana raha sanatria misy loza an-dranomasina.
Mitohy sy mihatsara ary mivelatra amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo. Ahitana izany fiaraha-miasa izany ny eo anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny Antenimierandoholona. “Manao ny ezaka rehetra hanampiana ny Fahefana mpanatanteraka hitadiavana izay mahasoa ny vahoaka malagasy sy hampandrosoana an’i Madagasikara ny Antenimierandoholona”, hoy ny Jly Ravalomanana Richard. Tafiditra ao anatin’izany ny fifandraisana ara-diplomasia sahala amin’izao atao amin’i Afrika Atsimo izao, entina mampiroborobo ny fiaraha-miasa ahazoan’ny firenena roa tonta tombontsoa.
Lin