Madagasikara- Nosy Maorisy: Hifantoka amin’ny sehatry ny toekarena ny fiaraha-miasa

Tao anatin’ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny maorisianina, Ritesh Ramful, no nanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Ny 26 novambra teo, tany Mao­risy no nanatanterahana izany fihaonana izany. Anisan’ny navoitra tao anatin’ izany ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Vao­mieran’ny ranomasimbe indianina (COI) hatao ny taona ho avy io. Ankoatra izay, nanamafy ny faniriana iraisan’ny roa tonta amin’ny fifandraisana ara-tantara sy hiara-hiasa amin’ny fanatrarana ny fa­nambin’ny COI ny fihaonan’ ireto minisitry ny Raharaham-bahiny ireto.
Nohamafisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, fa zava-dehibe ny fifandraisana amin’ny firenena maro tsy an-kanavaka eto ambonin’ny tany. Fitao­vana ilaina entina mampiroborobo ny fiaraha-mientana sy fampirisihana ny fampiasam-bola ary fanohanana ny teti­kasa fananganana samihafa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fire­nena roa. Ho an’i Madaga­si­kara sy ny nosy Maorisy ma­no­kana, fiaraha-miasa ara-toekarena no tena ifantohan’ ny roa tonta, indrindra amin’ny maha samy mpikambana ao anatin’ ny COI. Tapaka nandritra ny fihaonana ihany koa fa hisy ny fanatsarana ny zotram-pampitaovana ara-tsakafo mankany Maorisy amin’ny alalan’ny fametrahana fenitra iraisana.

Lin

Partager sur: