Hentitra ny fitsarana ambony Toamasina misahana ny ady heloka bevava nandritra ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, omaly. Telo voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny…
Nitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-111-Toa/21 niampangana an-dRazafimanantsoa Odilon sy i Fenosoa ary Randrianantenaina Jean Sele na Sely noho ny fanafihana mitam-piadiana Cash point niseho tao Tanambao Fahadimy, ny 16 novambra 2020 tamin’ny 10 ora maraina. Vola 5 tapitrisa Ar sy finday fampiasa amin’ny tambajotran-tserasera miampy finday iray avo lenta an’ilay raim-pianakaviana maty voatifitra no lasan’ireo mpanafika. Notifirin’ireo jiolahy ilay raim-pianakaviana ka maty teny an-dalana hamonjy ny Hopitalibe. Tsy nisaron-tava ireo jiolahy ka tsaroan’ilay renim-pianakaviana ny endrik’ ireo nahavanon-doza nandritra ny fisamborana nataon’ny zandary. Nandritra ny fotoam-pitsarana, samy tsy tonga nanatrika ny fitsarana ny mpangataka onitra sy ny voampanga. Efa nahazo fahafahana vonjimaika ka efa miriaria eny amin’ny fiarahamonina. Vokany, taorian’ny famakiana ny antontan-taratasin’ady rehetra tao amin’ny fitsarana, nilatsaka ny didy manameloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafaty an’ireo telo lahy miampy didy fisamborana ihany koa.
Sajo