Indray mijery

Tomefy olona ny teny Analakely omaly alahady voalohan’ny volana janoary. Saika ambohi-pihaonan’ny maro nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao teny an-toerana. Nifanitsa-kitro ny mpivarotra kilalao sy ny mpividy. Nahitana fianakaviana iray manontolo tonga nitsangatsangana teny Analakely, faly amin’ny fiarahana noho ny taona vaovao. Nifamotoana teny Ambohijatovo ihany koa ny sasany nisitraka ny hatsaran’ny zaridaina sy ny hakantony. Feno olona hatreny Antaninarenina naka sary sy nitsidika ny tanàna.

Nifarana omaly ny fotoana nahafahan’ireo mpivarotra amoron-dalana nivarotra ho fistinjovana azy ireo tamin’ny fiatrehana ny fety. Ho hentitra ny Kaomininan’Antananarivo Renivohitra amin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpivarotra. Efa nomen’ny filoham-pirenena tohana rahateo ireo mpivarotra ireo nanaovana fety. Manomboka androany, araka izany dia hiverina amin’ny tokony ho izy ny fandrindrana ny tanàna. Tapitra ny varotra amoron-dalana sy ny gaboraraka.

Partager sur: