Hivoaka tsy ho ela ny firaketana ny tolo-kevitra rehetra, momba ny paikadim-pirenena hoenti-
miady amin’ny kolikoly. Eo am-panambarana izay volavolana paikady izay ny, eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana.
“Amin’ny volana janoary 2025 no hatolotra ny vahoaka malagasy ny paikady farany, ary hanomboka amin’izany ny tena asa”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, teny Ivato, omaly, tamin’ny fiantsoana ireo avy tany amin’ny faritra na ireo nanatrika ny atrikasa teknika namolavolana ny paikadim-pirenena. Tamin’izany no nandraisana izay fomba fijery sy nandrafetana izay ho ao anatin’ny paikady vaovao.
Notsiahiviny fa nisy ny fitsidihana tany amin’ny faritra enina tamin’ny volana aogositra. Tamin’ny volana septambra, nisy ny atrikasa 12 momba ny lohahevitra samihafa. Betsaka ny nanoratra sy naka ny sosokevitra rehetra handrafetana volavolana paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly. Aorian’ny atrikasa omaly, havoaka ny volavolana paikadim-pirenena vaovao. Hatolotra ny fitondram-panjakana: ny filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, ireo minisitra nanatrika ireo atrikasa, ny parlemanta. Avy eo, hatolotra ny vahoaka malagasy izany amin’ny volana janoary 2025.
Nekena tamin’ny fakan-kevitra samihafa, ohatra, araka ny fanazavany, fa mila lanjalanjaina tsara ny paikady, fa misy ny toroka fanendrikendrehana. Mila hatsaraina koa ny lalàna mba hahazoana manao fanenjehana an’izay manao fitorohana tsy mitombina sy tsy misy porofo fa fanaratsiana olona fotsiny. Tsy maintsy hasiana koa ny fepetra hiarovana an’ireo izay mitoroka manana porofo, fa fantatra ny fisian’ny karazana fanerena mahazo azy ireny.
R. Nd.